Taratasy Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana
Toko faha-3
9 Fa izahay moa mpiara-miasa amin'Andriamanitra; ary hianareo kosa sahan'Andriamanitra sy trano arafiny. 10 Noho ny fahasoavana nomen'Andriamanitra ahy, dia nanao ny fanorenana toy ny tompo-marika mahay aho, ary ny hafa kosa mandrafitra eo amboniny. Samia anefa mitandrina izay arafiny eo amboniny;11 satria tsy misy mahazo manao fanorenana hafa, afa-tsy izay efa vita, dia Jesoa-Kristy. 16 Tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny Fanahin'Andriamanitra?
17 Koa izay mandrava ny tempolin'Andriamanitra dia mba horavan'Andriamanitra kosa, satria masina ny tempolin'Andriamanitra, dia hianareo izany.
